Teny iditra mifanohitra (tohitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifanalavitra be toy ny atsimo sy avaratra, mifanipaka, mifandaka: Mifanohitra ny mamy sy ny mangidy
Tsy mitovy hevitra, miady: Mifanohitra ny Tandrefana sy ny Tatsinanana
Tsy mifanaraka, tsy mifandrindra: Mifanohitra ny teny lazain' ny vavany sy ny asa ataony
Tsy mifanaraka amin' ny..,: Mifanohitra amin' ny fitsipiky ny Fikambanana ny nataonao ka horoahina ianao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Opposé, contraire [1.13]
Ohatra 
1Raha nanontaniana aza angamba aho dia ho any amin' ny mifanohitra aminy no ho notondroiko. [2.471]
2Misy hevitra mifanohitra manorisory ahy fatratra iny arira iny, hoy indray Zaka somary nalahelo. [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifanohitra
Ny lasa : nifanohitra
Ny hoavy : hifanohitra
Filaza mandidy : mifanohera
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20