Teny iditra mifihifihy (fihifihy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin' ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba mafana
¶ Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy
¶ Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan' ny mpitsara ilay voampanga [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy To shiver, to shudder, to quake [Richardson 1885]
Endriteny 
mifihifihy
nifihifihy
hifihifihy
mifihifihia
Ohatra 
1Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 153]
2Na ny omby aza no karavasiana, hita fa mifihifihy, taitra ary mihorona ny hodiny nandalovan' ilay dian-karavasy. [Andraina: Mitaraina, takila 46]

2013/04/21