Teny iditra mihantona (hantona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mikiraviravy, mikirazorazo: Mihantona ao an-dalantsara ny tehiko fa alaovy
¶ Mijanona tsy misy, mitsahatra: Efa hateloana izay no nihantona ny orana
¶ Miato, mianina: Mihantona ny raharaha [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be hung up, to hang up. [Richardson 1885]
 to hang [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être suspendu [Hallanger 1974]
Endriteny 
mihantona
nihantona
hihantona
mihantòna
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Nony inona, mody namaky gazety sy nizaha sary vitsivitsy nihantona tsy lavitra eo izy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 105]
2Noraisiko ny basy nihantona teny amin' ny rindrina, dia nivoaka ny trano aho, fa tsy namaly. [Andriamalala: Ranomasina, takila 33]
3Teo an-kavian' ny varavarambeny raha hiditra, sahala amin' ny nihantona ny tanany. [Andraina: Mitaraina, takila 93]

Teny iditra mihantòna (hantona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihantona [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2014/10/03