Teny iditra mihantsy (hantsy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Miantso manome fo olona hiady na hifaninana amin' ny tena: Mihantsy andRakoto hifampitolona aminy Rabe. Mihantsy olona hisotro
¶ Manao izay hihomehezana zazakely
¶ Manao izay hahatonga: Mihantsy torimaso ~ Mihantsy loa
Mitovy hevitra: manao lambo manoha-dia ~ manetra ~ maninana ~ mihaika ~ mihatsy ~ mijihinjihina ~ mila ady ~ minaikanaika ~ minehaneha ~ mirehareha ~ misetra ~ mitihintihina ~ mitrehatreha [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay provoquer, défier, faire rire un petit enfant [Abinal 1888]
Endriteny 
mihantsy
nihantsy
hihantsy
mihantsia
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1sady raha misy mihantsy azy, tsy mety mivoaka izy; [Dahle: Angano, takila 66]
2Nony mby teo akaikiny izy, dia niatranatrana ny tovolahy nanitsy ny fijeriny ary niteny tamin' ny feo mihantsy sy feno avona hoe: [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 84]

2017/07/22