Teny iditra mihemotra (hemotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandroso miverina, manao dia miverina, manao dia mianotra: Mikisaha fa mihemotra itsy fiarakodia itsy
Mandositra (fa resy): Herezo ihany fa efa mihemotra ny fahavalo
Miala, miova hevitra: Saika hilatsaka hofidina Baba saingy nihemotra
Mihafohy, misintona: Nihemotra ny pataloan' Ikoto nony nosasana
Mihena, mitambotsotra, midina: Soa ihany fa efa nihemotra ny vidim-bary
Mitovy hevitra: manao dia mianotra ~ manao dia miverina ~ mandrorona ~ mianotra ~ mikemo ~ mitakemotra ~ mitambotsotra ~ mitodi-doha ~ miverina ilalana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To draw back, to retire, to retreat, to backslide, to apostatize. [1.2]
 To draw back; to fall back into evil ways [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Reculer, se retirer [1.8]
Ohatra tsy mahazo mitodika na mihemotra rahefa miady, tsy azo alaina ny zavatra amin' ny miaramila maty afa-tsy ny fiadiana. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihemotra
Ny lasa : nihemotra
Ny hoavy : hihemotra
Filaza mandidy : mihemora
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20