Teny iditra mihetsiketsika (hetsiketsika (hetsika))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihevingevina: Mihetsiketsika ny tohatra fa tazony mafy
¶ Tsy mipetraka tsara fa mikofokofoka, mipelipelika: Ny zaza matetika no mihetsiketsika any an-trano fivoriana
¶ Miheninkenina, misahirana mafy, mipopoka: Nihetsiketsika fatratra izy tamin' iny raharaha iny
¶ Mihaingo, miraratra, miramarama: Mihetsiketsika erỳ ry zareo ato avaratra fa vao nahalafo trano, hono.
Mitovy hevitra: mihahohaho ~ mihararetra ~ mihendrahendra ~ mihetsiketsika ~ mihetsiketsika ~ mihevingevina ~ mihofahofa ~ mihofakofaka ~ mihontsinkontsina ~ mihovihovy ~ mihovotrovotra ~ mihozongozona ~ mikipilipily ~ mikivilivily ~ mikofoka ~ mikofokofoka ~ mikopaka ~ mikopakopaka ~ mikoropaka ~ mipararetra ~ mipelipelika ~ mipendrampendrana ~ mipilaka ~ mirona ~ mirondrona ~ mironjina ~ misangodina ~ misangodingodina ~ misavilivily ~ mitakorofoka ~ mitambolina ~ mitovezina ~ mitrifantrifana ~ mitsikofokofoka ~ mitsikorofoka ~ mivena ~ mivenjina ~ mivezimbezina [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mihetsiketsika
nihetsiketsika
hihetsiketsika
mihetsiketseha
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Mihetsiketsika lalandava io zazalahy io (Ce garçon se remue sans cesse) [Abinal 1888]
Teny nalaina 

2013/04/23