Teny iditra mihevitra (hevitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mamorona na manan-javatra ao an-tsaina, ao an-doha; misaintsaina: Tsy tsara ny mihevi-dratsy olona
¶ Mieritreritra: Latsadranomaso izy nihevitra ny fahorian-janany
¶ Mandinika lalina, miady hevitra momba: Mihevi-draharaha ny lehibe ka tsy azo kotabaina
¶ Mikasa, manampo, mikendry: Mihevitra ny hiainga rahampitso aho
¶ Mandray, mitsara: Ahoana no iheveranao an' izany fihetsiky ny zakaizanao izany
¶ Mino, mieritreritra: Iza no hihevitra fa hahavita izany Rangahy iny [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to think, to consider; to talk over [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay penser, penser à; méditer, délibérer sur [Hallanger 1974]
Endriteny 
mihevitra
nihevitra
hihevitra
mihevera
Ohatra 
1tsy very saina aho fa mihevitra nahoana hianao no toa mitomany? [Fox: Hainteny, laharana 312]
2Hano aloha ny hanina, fa rehefa avy eo indray, mihevitra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 106]
3Maro no nihevitra fa mandalo ihany izany. [Andraina: Mitaraina, takila 195]
Teny nalaina 

2012/08/07