Teny iditra mihiaka (hiaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao feo mirehareha sy matoky hery, mihaika, mihantsy ady: Nihiaka Rakoto teo ambony lampihazo niandry izay sahy hifanandrina aminy
Mibaiko amin' ny feo tokana, mafy sy maranitra: Nisy feo nihiaka tany anaty ala tany, dia indreny nisy lehilahy ampolony maro nivoaka ny kirihitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To shout defiance; to shout [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pousser des cris, prononcer des paroles de défi [1.8]
Ohatra 
1niantsamboatra sy nihiaka tokana Rasoa nitairan' izy rehetra ho safotra. [2.470]
2Ary ialahy, hoy izy nihiaka ohatra ny nihetsehan-tromba tampoka, toa mbola mitahiry zava-maranitra ihany? [2.472]
3hoy Railovy somary nihiaka tamin' ny hagagany, ka nanatona azy avokoa ny voronkely indray nialoka taminy. [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihiaka
Ny lasa : nihiaka
Ny hoavy : hihiaka
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20