Teny iditra mihinana (hinana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitsako ary mitelina ventin-kanina mba hahavelona ny tena: Mihinam-bary ny Malagasy
Mitovy hevitra: homana ~ mamahan-tena ~ mamango ~ mambosibosika ~ mambosika ~ managorodana ~ manao indraim-bava ~ manao rapa-dango ~ manao sesimontotra ~ manao teli-moka ~ manao tombok' orona ~ manao tombokitsatsy ~ manao tranga ~ manao vakim-borona ~ manao voky ~ mandrapaka ~ mandrepoka ~ manendry ~ manesika ~ mangeboka ~ manoranorana ~ mianjady ~ mibibaka ~ mifotafota ~ mijao ~ mikesokesoka ~ miletra ~ mimontsina ~ miosanosana ~ mipaka ~ misatrasatra ~ mitelina ~ mitomboka ~ mitsamontsamona ~ mitsingintsingina ~ miviravira
¶ Mikiky: Mihinana ny vy ny haro fesina
¶ Mankahia, mampihena: Mihinana azy ny eritreriny
¶ Maka zavatra ankeriny (aman' olona): Nihinam-bolan' olona, hono, Rangahy io
Mitovy hevitra: miharaka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to eat; to use up; to embezzle funds [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay manger; consommer; détourner des fonds [Hallanger 1974]
Endriteny 
mihinana
mihinan-
mihinam-
nihinana
nihinan-
nihinam-
hihinana
hihinan-
hihinam-
mihina
Ohatra 
1Ary nony nihinana kelikely, hono, izy, dia hoy izy: [Rabezandrina: Ikotofetsy]
2Aza mihinana ny varin' Andriambahoaka re ianareo [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 138]
3Eo ampanaovana izany anefa, mahazo mihinan-katsaka izay te hihinana ary na firy na firy. [Andraina: Mitaraina, takila 21]
Teny nalaina 

Teny iditra mihinàna (hinana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihinana [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2014/02/07