Teny iditra mihisatra (hisatra)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mandeha na mamindra miadana dia miadana: Mihisatra erỳ ianao ka aiza no tsy ho diso fidirana
¶ Midina amim-pahasarotana ao an-tenda toy ny hahakenda: Omeo rano aho fa mihisatra ato an-tendako ny saonjo
¶ Mihodina miadana sady mikasoka: Mihisatra ny vavahady fa efa te hisy menaka [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to move slowly, as a canoe touching bottom [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   aller lentement en raclant, en touchant le fond [Hallanger 1974]
Voambolana  
Ny bikany  
mihisatra
nihisatra
hihisatra

Nohavaozina tamin' ny 2010/09/16