Teny iditra mihodina (hodina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitsimbadika eo ihany ka ny ambany tonga ambony na ny tany an-kavia lasa any an-kavanana ary dia mifandimby hatrany toy izany: Mihodina ny tany
Mitodika mankany aoriana na ao an-daniny: Tsy ta hahita ahy izy ka nihodina
Tonga simba: Nihodina ity divay ity
Mivadika: Nihodina tamin' ny fanekena izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To turn around; to revolve [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tourner comme une roue; tourner sur soi [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihodina, mihodin-, mihodim-, mihodi-
Ny lasa : nihodina, nihodin-, nihodim-, nihodi-
Ny hoavy : hihodina, hihodin-, hihodim-, hihodi-
Filaza mandidy : mihodìna
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mihodìna (hodina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihodina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20