Teny iditra mihodivitra (hodivitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Tsy mahitsy, miraika kely: Mihodivitra ny kofehy ka henjano tsara ~ Mihodivitra ity andry ity
¶ Mihodina any amin' ny ilany, mivily, miolaka: Raha nihodivitra kely ilay vato, dia nahavoa ny masoko
Mitovy hevitra: mibirioka ~ mivaona ~ miviona
¶ Mihilana: Saika nianjeran' ny vato aho raha tsy nihodivitra kely
¶ Lasa nandositra mangingina, tsy hitahita akory: Nozahan' ny Polisy ny anao lahy ka nihodivitra
Mitovy hevitra: mibisioka ~ mibolidy
¶ Miala amim-pahakingana: Mihodivitra amin' ny raharaha sarotra
¶ Mihazo lalana miolaka mba tsy hifanena amin' olona: Mihodivitra olona [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy to turn aside; to be untrustworthy [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay se détourner; faire des détours [Hallanger 1974]
Endriteny 
mihodivitra
nihodivitra
hihodivitra
mihodivira
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31