Teny iditra mihohoka (hohoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miongana na mianjera ka ny vavany no lasa ambany: Loza fa nihohoka ny vilany ka very daholo ny laoka
Mandry tsy mitsilany na mihorirana fa ny kibo no atao ambany mandry: Aza mihohoka rehefa mandry
Mandohalika na miondrika ambany dia ambany: Mihohoka eto anatrehanao izahay, ry Tompo Andriamanitra
Mitovy hevitra: miankohoka
Milentika ao anatin' ny fahoriana: Mihohoka marina ireto kamboty ireto
Miasa tsy miroa fo: Nihohoka tamin' ny asany izy rehetra ka vita haingana ilay raharaha nasaiko nataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lie or be placed with the face or opening down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être placé avec l'ouverture en bas, la bouche en dessous [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihohoka
Ny lasa : nihohoka
Ny hoavy : hihohoka
Filaza mandidy : mihohofa
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20