Teny iditra miitatra (itatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Miely, mihanaka: Efa miitatra izao ny fiompiana kisoa
¶ Mitombo, mihalehibe; mihamalalaka: Miitatra ity akanjo ity rehefa misasa
¶ Mitombo, mihamatanjaka, mandroso: Miitatra ny sain' ny ankizy
¶ Miampy zavatra tsy tao: Miitatra tsy hita velively ny vaovao rehefa azon-dRamatoa io [Rajemisa 1985]
Endriteny 
miitatra
niitatra
hiitatra
miitara

2010/05/14