Teny iditra mijanona (janona)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mitsahatra mandeha, miteny, manao zavatra: Nijanona tamin' ny fito sy fahatelony ny famantaranandroko
¶ Mitoetra, mipetraka, maharitra: Aza mijanona ela any an-tsena ~ Nijanona tapa-bolana tany Amborovy izahay
¶ Mifarana, tsy mitohy intsony: Nijanona ny ady fa be loatra ny maty tamin' ny ankilany
¶ Tapaka, miato: Nijanona hateloana ny orana dia avy indray
Mitovy hevitra: maka aina ~ manahana ~ miafitra ~ miala janona ~ mianina ~ mianona ~ miantsona ~ miato ~ mihantona ~ mionona ~ misento ~ mitokana ~ mitsahatra ~ mitsatoka [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to stop [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   s'arrêter [Hallanger 1974]
Ny bikany  
mijanona
nijanona
hijanona
mijanòna
Teny nalaina  

Teny iditra mijanona (janona)
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   tsy miova eo amin'ny toerana sy ny fotoana iray, tsy mandeha [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   stationnaire; arrêté [SLP: Voambolana]

Teny iditra mijanòna (janona)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mijanona [firaketana]
Famaritana malagasy   [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   [Abinal 1888]
Ohatra   Mijanòna ianareo, ka mitalanjòna, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! [Baiboly: 29:029:009/Isaia 29:9..]

Nohavaozina tamin' ny 2013/05/14