Teny iditra mijery (jery)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Sihanaka] mihevitra [Rakotosaona 1972]
 Manatodika ny maso any amin' olona na zavatra iray mba hahita azy: Sady nijery ahy izy no niteny izany
¶ Mitazana: Aza mandany andro mijery eo am-baravarankely eo ianao
¶ Mitandrina: Nahoana no tsy mijery izay ataonao akory ianao
¶ Mihevitra: Tsy mijery afatsy ny fahamendrehany aho, / Mikarakara: Rakoto ve hijery ny mahantra
¶ Mahita ka tsy miraharaha, tsy milaza: Aza mijery arma an-tava
Mitovy hevitra: manombana ~ manopy maso ~ mibandrina ~ mibanjina ~ mikandrana ~ mitanjo ~ mitazana ~ mitsirika ~ mivandraka ~ mivandravandra ~ mivandrina
¶ Misy hevitra iraisana: mitily, mitsikilo, mizaha taratra, manazangazana, manarangarana, mangarangarana, mitaratra, manompirana, mangala-pijery, manao jery vilana, manao very maso, mitsipalotra (ny maso), mitodika, miherika, mangarika, mandritika, mijery ambony, miandrandra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to look at [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay regarder [Hallanger 1974]
Endriteny 
mijery
nijery
hijery
mijere
Teny mitovy hevitra mila jery
Ohatra Misy fetra ny fahazakan' ny olona mijery na manao zava-doza. [Andraina: Mitaraina, takila 246]
Teny nalaina 

2013/04/24