Teny iditra mikabary (kabary)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manao kabary: Nikabary tamin' ny mponina tao Ampefy ny filohan' ny Nosy
¶ Milaza ampahibemaso: Omaly no nikabary ny fandoaoan-ketra ny tomponarivo
¶ Miteny, mibedibedy: Mandehana mandeha ianao fa aza mikabary ny zanako eo [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy To deliver a public order, to proclaim, to pronounce, to announce, to speak in a public assembly on some public business [Richardson 1885]
 to make a speech; to lead a palaver or discussion [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay Prononcer un discours public, proclamer des lois, des ordres dans une assemblée publique, intenter un procès, réprimander [Abinal 1888]
 donner un discours; diriger ou prendre part à un palabre [Hallanger 1974]
Endriteny 
mikabary
nikabary
hikabary
mikabaria
Ohatra 
1Tsy misy mahazo midonana-poana, hoy izy isaky ny mamory olona mikabary. [Andraina: Mitaraina, takila 159]
2Raha mikabary ny andriana, raha mitantara ka misaotra, raha mivavaka, dia Rafandrana hiany no aloha. [Callet: Tantara]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31