Teny iditra mikarakara (karakara)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitandrina, manao izay hahasoa fatratra sy manokana: Mikarakara tokoa ny vadiny Ramatoa iny
¶ Miahy, miraharaha: Tsy natao hikarakara ny baolina aho
¶ Manamboatra, manomana: Efa misy mikarakara ve ny sakafon' ny vahiny
¶ Mifehy, mitondra, manapaka: Iza no mikarakara ity faritany ity? [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to take care of, to look after [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay prendre soin de; se charger de [Hallanger 1974]
Endriteny 
mikarakara
nikarakara
hikarakara
mikarakarà
Ohatra Ny toe-pahasalaman' ny toby dia ny mpimasy no mikarakara azy. [Andraina: Mitaraina, takila 202]

Teny iditra mikarakara
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy  [Bezanozano] misaritaka [Rakotosaona 1972]

Teny iditra mikarakarà (karakara)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mikarakara [fitanisana]

2013/04/25