Teny iditra mikasika (kasika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mampandalo ny tanana eo ambony: Aza mikasika io marary hoditra io
¶ Misafosafo, mandalo eo amin' ny...: Nikasika ny tendron' orony ny vato
¶ Tonga: Efa nikasika ny faritanin' ny Sakalava izahay vao nahazo aina
¶ Miraharaha, mandray anjara amin' ny...: Soa ihany fa tsy nikasika io raharaha io aho
¶ Momba: Mikasika ny politika ankapobeny ny resaka nataonay [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay toucher: Aza mikasika ahy (Ne me touchez pas) ~ Aza mikasika ny tsy fikasika (Ne touchez pas ce qu'on ne doit pas toucher)
¶ effleurer: Nikasika ny ravin-tsofiny ny bala (La balle effleura son oreille)
¶ atteindre: Efa nikasika ny tanin' ny Betsileo izahay vao niverina (Lorsque nous eûmes atteint le pays des Betsileos, nous revinmes)
¶ s'occuper, se mêler: Aza mikasika izany raharaha izany (Ne vous occupez pas de cette affaire) ~ Aza mikasika ny tsy fikasika (Ne vous mêlez pas de ce qui ne vous regarde pas, de ce que vous ne savez pas)
¶ concerner: Mikasika ny fivavahana (Cela concerne la religion)
¶ regarder: Mikasika anao izany raharaha izany (Cette affaire vous regarde)
¶ fréquenter [Abinal 1888]
 toucher [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 toucher en passant
¶ mentionner en parlant ou en écrivant [Hallanger 1974]
Endriteny 
mikasika
nikasika
hikasika
mikasiha
Ohatra 
1Aza matahotra foana anefa hianao, fa raha misy mikasika anao, raha tsy ny aiko no lasa, na dia hisy ra hakitrokely aza, tsy miraika aho. [Rajohanesa: Kintana]
2Marina fa tsy nikasika ny mponina rehetra izany. [Andraina: Mitaraina, takila 247]
3tsy mahazo mikasika ny faty, na ray, na reny, na vady, na zanaka: raha maty dis tsy mahazo mikasika azy [Callet: Tantara, takila 174]
Teny nalaina 

2016/07/06