Teny iditra mikitroka (kitroka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihidy vazana mampiady ny nify: Matetika rehefa marary mafy ny olona, mikitroka ny nifiny
¶ Mifanety be, matevina: Any atsinanana, mikitroka ny ala ~ Mikitroka ny haizina
¶ Midilotra (nify): Mikitro-nify izy noho ny hatezerana
¶ Mandà tsy hanao, mitokona: Mikitroka foana io zaza io rehefa ampanaovin-javatra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to gnash the teeth [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay grincer des dents [Hallanger 1974]
Endriteny 
mikitroka
nikitroka
hikitroka
mikitroha
Teny mitovy hevitra mikitro-nify

Teny iditra mikitroka (kitroka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana anglisy to be thick or close together, to be obstinate [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être serré, épais; s'obstiner; [Hallanger 1974]
Endriteny 
mikitroka
nikitroka
hikitroka
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2012/08/13