Teny iditra mikodia (kodia)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mianjera dia mivadibadika, mihodinkodina: Latsaka teto ny volako dia nikodia tany ambany latabatra
¶ Mandeha mivarimbarina: Saika tratran' ny fokonolona ilay mpangalatra ka nikodia tany anaty hady tany
Mitovy hevitra: mikodingy ~ mikororosy ~ mikorotsaka
¶ Mivarina amin' ny tany: Nahoana no avala hikodia eto toy izao ity marary ity?
¶ Mitambotsotra, mivarina, mikororosy, mandrorona [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mikodia
nikodia
hikodia
mikodiava
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2013/04/25