Teny iditra milahatra (lahatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mijoro manaraka tsipika mahitsy: Milahatra tsiroaroa ny mpianatra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be in line, to stand in line [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être en rang, alignés [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Voatirin-tsoavaly dimy aman' enina no mitsipara-kazo milahatra ao anaty tranoheva amin' ny ilany avaratra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 151]
2Ny faharoa milahatra amin' iny, fa avaratra kokoa, mirefy tokony ho 40 kilaometatra. [Andraina: Mitaraina, takila 170]
Endriteny 
milahatra
nilahatra
hilahatra
milahara

Teny iditra milahatra
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy  [Sihanaka] mitovy, sahala [Rakotosaona 1972]

2013/04/29