Teny iditra miliba (liba)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manaram-po tanteraka, manao izay tiana sy danin' ny kibo: Miliba amin' ny fananany Rakoto
Mikarenjy, tia lalao sy fahafinaretana: Izay hianatra, nofy azy; miliba any amin' ny namany any foana izy
Mitovy hevitra: akanga ~ angatra ~ angelingely ~ be haitraitra ~ be siasia ~ manampatra ~ manampoka aina ~ manao ny danin' ny kibo ~ manaram-batana ~ manaram-po ~ manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo ~ manaram-po ohatra ny kary an' efitra ~ manjehy ny andro ho lava ~ miala liana ~ mianjady ~ migalabina ~ migodana ~ mihary zaka ~ mihenjy ~ mikarenjy ~ tondraka anio manan-jara izay ho ampitso ka ho hitanao ~ tsy mijery ny lany ~ tsy mitsapa ny ho farany [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miliba
Ny lasa : niliba
Ny hoavy : hiliba
Filaza mandidy : milibà

Teny iditra milibà (liba)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miliba [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20