Teny iditra mipetraka (petraka)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mitombina (eo ampitombenana na efa tafatombina): Mipetraka eto ambony seza tompoko! / Tsy azo atao ny miarahaba manala satroka raha mipetraka
¶ mitoetra, monina: Mipetraha any ambanivohitra izy
¶ Ankinina amin' ny olona na banky: Vola mipetraka
Mitovy hevitra: mamitsaka ~ manao torovok' amboa ~ miainginaingina ~ miampatra ~ mianinanina ~ miarinarina ~ mibalelaka ~ mibelaka ~ miemonemona ~ mihaminkamina ~ mininginingina ~ misoketraka ~ misolaketraka ~ misonanaka ~ misonanina ~ misondretaka ~ mitaboretaka ~ mitakoko ~ mitalapetraka ~ mitampisaka ~ mitemontemona ~ miteronterona ~ mitombina ~ mitorevaka ~ mitorovoka ~ mitsivelatra ~ mitsivetraka ~ mivalaketraka ~ mivalandotra [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to be at rest [Richardson 1885, Hallanger 1973]
   to sit down, to perch [Richardson 1885]
   to sit [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   être assis [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   s'asseoir [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   être placé, posté
¶ être destitué, renvoyé
¶ habiter, séjourner [Abinal 1888]
Ohatra  
1Ny anankiray mipetraka, ary ny iray mandry. [Rajohanesa: Kintana]
2Mipetraka ambony tsihy izy manjokaiky toa olona tra-pahakiviana sy very hevitra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 23]
3Rahefa tsy miasa dia mandehandeha fotsiny eny no ataony, na mipetraka miresaka sy mifampijery. [Andraina: Mitaraina, takila 174]
Ny bikany  
mipetraka
nipetraka
hipetraka
mipetraha
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2014/11/04