Teny iditra mipoaha > mipoaka (poaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano
Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
(masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay [1.1]
  [Sihanaka] Miposaka (masoandro) [1.78]
Fanazavàna teny anglisy To burst, to explode [1.7]
Fanazavàna teny frantsay éclater, exploser [1.8]
 Exploser [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mipoaka
Ny lasa : nipoaka
Ny hoavy : hipoaka
Filaza mandidy : mipoaha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra