Teny iditra mirakotra (rakotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Misy rakotra na firakofana eo amboniny, misarona: Matory tsy mirakotra io zaza io ~ Hangatsiaka io vary tsy mirakotra io [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be covered. [Richardson 1885]
 to be covered, as a pot, as a person under a blanket, etc [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être couvert, comme un pot, une personne sous une couverture [Hallanger 1974]
Endriteny 
mirakotra
nirakotra
hirakotra
mirakofa
Ohatra 
1ny lohasaha filalaovanay / mirakotra ahitra milenodenoka [Fox: Hainteny, laharana 182]
2sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin'ny folo [Baiboly: 4:007:003/Fanisana 7:3..]
Teny nalaina 

2013/10/10