Teny iditra mirantiranty (rantiranty)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitandahatra amin' ny toerana avo na mora hita ka tazana avy lavitra na miharihary tsara: Mirantiranty eny amin' ny talantalana ny entam-barotra amin' ny ankabeazan' ny mangazay. / Nirantiraty teny an-davarangana ny fianakavian-dRazazavavy teo ampiandrasana ny mpangataka
Mitsangantsangana mitandahatra (zavamaranitra na fiadiana): Nirantiranty nanaraka ny rindrina ny benitry ny miaramila [1.1]
 Ny tena hevitry ny hoe mirantiranty dia mihan-tonkatona eny ambony toerana avo, toy ny zavatra milahatra ambony salazana, vorona ambony hazo, lefona mitandahatra [2.313]
Fanazavàna teny anglisy To be arranged, to be in order [1.2]
Ohatra Nahatsiravina ny fijery ireo Sakalava nanangasanga tao anaty bozaka nanodidina ireto olona Nirongo ody sy felana ny ankabeazan' izy ireo ary ny lefony dia miranirany sy mifilofilo mirantiranty manodidina. [2.895]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mirantiranty
Ny lasa : nirantiranty
Ny hoavy : hirantiranty
Filaza mandidy : mirantirantia

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20