Teny iditra mirary (rary)
Sokajin-teny   matoanteny na mpamaritra
Famaritana malagasy   Vita rary: Rindra mirary ny tsihy
¶ Voamboatra, voavitrana: Efa mirary izao ny fihavananay
¶ Mora, tsy lafo: Mirary ny vidin-javatra ato amin' ity mpivarotra ity [Rajemisa 1985]
Ny bikany  
mirary
nirary
hirary
miraria

Teny iditra mirary (rary)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Sihanaka] mangataka [Rakotosaona 1972]
   Mangataka faherezana na fandresena ho an' ny mpiady amin' ny alalan' ny hira, vavaka
¶ Maniry soa ka mangataka izany amin' ny alalan' ny vavaka ho an' ny olona iray: Mirary soa ho anao aho amin' izao fiandohan' ny taona izao. [Rajemisa 1985]
Ny bikany  
mirary
nirary
hirary
miraria
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra mirary
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Taisaka] mandrara, misakana [Rakotosaona 1972]

Teny iditra mirary
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Bara] mamangy [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2010/05/14