Teny iditra miray hina (iray, hina)
Sokajin-teny   fomba fiteny
Famaritana malagasy   Mifanaraka, manakambana ny herin-tsaina sy ny herim-batana
Mitovy hevitra: iray donak' afo ~ iray erik' andro ~ iray fileovana ~ iray kondokondo ~ iray petsapetsa ~ iray tafasiry ~ iray vezovezo ~ izay iray vatsy iray aina ~ mifanakona ~ mifanampy ~ mifanao valin-tanana ~ mifanohana ~ mifanohantohan-tsy ho lavo ~ mifarimbona ~ mikambana ~ misalahy ~ mitambatra ~ mivondrona [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to be of one accord [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   être d'accord, unir ses efforts [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Tsy dia niray hina loatra. [Razoharinoro: Soratra, takila 41]
2ary ny Mpiray Saotra, miray hina lalandava. [Ndemahasoa: Antakay, takila 82]
3Toa mifankatia sy miray hina ny mpiara-monina! [Profita: Ranary, takila 80]

Nohavaozina tamin' ny 2017/09/05