Teny iditra misafo (safo)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mampandalo moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Misafo ny lohany mandrakariva io zazalahy io rehefa hiteny
¶ Manotra: Iza no nisafo ny tongotrao narary?
¶ Teny ilazana ny vehivavy bevohoka mitondra ny kibony hojeren' ny dokotera na ny mpampivelona: Tonga misafo isan-tapa-bolana eto amin' ny hopitaly io Ramatoa io. [Voambolana: Fahasalamana]
¶ Mandalo mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Hisy lehibe hisafo ny trano fitsaboana rahampitso
¶ Mijery taratra: Nisy lehilahy nisafo ny tanana omaly mba hangalatra [Rajemisa 1985]
Endriteny  
misafo
nisafo
hisafo
misafoa
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra misafo
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Taisaka] misasa [Rakotosaona 1972]
   [Sihanaka, Tanala] misasa tava, misasa maso [Rakotosaona 1972]

2010/05/06