Teny iditra misakana (sakana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manisy fefy, vala: Misakana ny filibana ny fivavahana
¶ Mandrara: Nisakana azy tsy hanao izany herisetra izany araka izay azoko natao aho
¶ Mampijanona: Misakana olona mandositra ~ Nisakana fiarakodia aho fa tsy nisy nety nandray
¶ Manao izay tsy hahatanteraka: Ny lehiben' ny tanàna no nisakana izany zavatra tsy andrariny izany
¶ Tsy mamela hivarotra (lova): Nisakana ny tanimbarinay etsy Andohatapenaka izy [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy to hinder, to impede [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay empêcher, faire obstacle [Hallanger 1974]
Haiendriteny 
misakana
nisakana
hisakana
misakàna
Ohatra - Ka inona moa no misakana an' ise tsy hanao izany? [Andriamalala: Ranomasina, takila 49]
Teny nalaina 

Teny iditra misakàna (sakana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misakana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31