Teny iditra misalasala (salasala)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Tsy tapa-kevitra amin' izay tokony hatao: Nisalasala tamin' izay tokony halehany izy, na ho any Antsahafiraisana na ho any Ankadindambo
Mitovy hevitra: miahanahana ~ miahotrahotra ~ miambakavaka ~ mihambahamba ~ miherohero ~ miroahana
¶ Tsy matoky fa marina: Misalasala amin' ny filazako angaha ianao? ~ Misalasala aho na ho avy izy na tsia
Mitovy hevitra: haingihaingy ~ hangihangy ~ mamokehana ~ mangezaheza ~ miahotrahotra ~ miakoriasa ~ miambatrambatra ~ mihabahaba ~ mihambahamba ~ mihazohazo ~ mihelohelo ~ miherohero ~ miroa hevitra ~ miroa saina ~ miroahana ~ miroanahana ~ sadaika ~ sakodiavatra ~ sanganehana ~ somaingisaingy ~ tsy tapa-kevitra ~ vaka ~ varakahaka ~ very fanahy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   to be in doubt, to hesitate [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   être dans le doute, hésiter [Hallanger 1974]
Ohatra   Ny lakana efa vonona, nefa izato izy toa mbola misalasala, miherikerika, mitazantazana, mitsinjotsinjo. [Rajaonarivelo: Bina, takila 21]
Voambolana  
Ny bikany  
misalasala
nisalasala
hisalasala
misalasalà

Teny iditra misalasala
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Taisaka] maniry soa [Rakotosaona 1972]

Teny iditra misalasalà (salasala)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misalasala [firaketana]
Famaritana malagasy   [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay   [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2014/11/11