Teny iditra misamboaravoara (samboaravoara)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina androany
¶ Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin' ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin' izy ireo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be turbulent, to rise in waves [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être agité, s'agiter en vagues [Hallanger 1974]
Endriteny 
misamboaravoara
nisamboaravoara
hisamboaravoara
Ohatra tsy misy rivotra mitsoka fa tony dia tony ny habakabaka, nefa ny onja misamboaravoara, ary ny ampitso na afak' ampitso vao tonga ny tafiotra mahery arahin-dranonorana. [Andriamalala: Ranomasina, takila 18]

2013/05/10