Teny iditra misaraka (saraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihataka: Vonjeo simà fa mila hisaraka ireto vato roa amin' ny tamboho ireto
Tsy miray na mikambana intsony, miendaka: Nisaraka tamin' ny vadiny Ravao
Mivaky roa: Tamin' ny taonjato faha-16 no nisaraka ny Protestà sy ny Katolika.
Mitovy hevitra: manangana entra ~ miala ~ mialanalana ~ mibifona ~ mielakelaka ~ miempaka ~ miendaka ~ mihalangalana ~ mihataka ~ mikipaka ~ misara-bazana ~ misintaka ~ misintona ~ mitsoaka ~ mivaky ~ mizara [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To separate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Se séparer [1.8]
Ohatra Ary rahefa ho avy ny sambo misy ahy, dia mody misaraka vetivety. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misaraka
Ny lasa : nisaraka
Ny hoavy : hisaraka
Filaza mandidy : misaraha
Kamban-teny 
Anaram-poko 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/27