Teny iditra miseho (seho)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manolo-tena ho hita: Tsy sahy miseho intsony izy hatramin' ny nanaovany izany hadalana izany
¶ Manomboka ho hita: Raha vao misokatra ny ridao, dia tovovavy no miseho eo ambony lampihazo ~ Efa miseho izao ny haratsiany
¶ Mitombana: Misehoa ho lehilahy mafana fo
¶ Mitranga, miposaka: Niandry ny masoandro hiseho izy vao nifoha [Rajemisa 1985]
   mitranga araka ny hita maso [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   apparaître [SLP: Voambolana]
Ny bikany  
miseho
niseho
hiseho
misehoa
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2012/09/17