Teny iditra misikina (sikina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamehy lamba manodidina ny valahana: Nitsangana izy dia nisikina handeha hamoha trano
Miomana, mivonona fatratra: Misikina ianareo fa hanao tetezana isika fokonolona
Manao asa amin-kafanam-po: Nisikina tamin' ny fanadiovana ny tanàna ny mponina
Manana: Misikina herim-po fa hiankinan' ny ho avinao ity zavatra ity [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To wear a cloth around the waist; to gird oneself with the lamba [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Porter quelque chose autour des reins; se ceindre pour travailler [1.8]
Ohatra nisikina niasa mafy izy, sikina natao tery am-balahana izany satria tsy nisy ny natao tao an-kibo. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misikina, misikin-, misikim-, misiki-
Ny lasa : nisikina, nisikin-, nisikim-, nisiki-
Ny hoavy : hisikina, hisikin-, hisikim-, hisiki-
Filaza mandidy : misikìna
Tovy hevitra misiky
Kamban-teny 

Teny iditra misikìna (sikina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misikina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/01