Teny iditra misosa (sosa)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mizotra tsy miato: Nisosa ny fianarany ka tsy niato raha tsy tany amin' ny tanjon' ny bakalorea
Mandeha milamina tsy misy misakantsakana na manelingelina: Misosa ny fiainana raha misy vola, hoy ireo tsy mihevitra afa-tsy ny ara-nofo
Mikorisa amin-javatra malama: Nahahitsaka hoditr' akondro aho teo an-tokonana ka avy hatrany dia nisosa terỳ an-tokotany
Misononoka eo ambony rano: Nisosa ny lakana nitondra anay fa nitsoka malefaka ny rivotra [1.1]
Ohatra Misosa amboniny eny kosa ny zahatra andiany dimy aman' enina, mitondra hazo fisaka hamidy eny Isotry. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misosa
Ny lasa : nisosa
Ny hoavy : hisosa
Filaza mandidy : miso

Teny iditra misosà (sosa)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misosa [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20