Teny iditra mitaky (taky)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mampandoa trosa na izay nindramina: Mitaky ny trosako aho
¶ Mila, mitady, mangataka mafy: Mitaky karama ambony loatra ireo mpiasa ireo
Mitovy hevitra: maka ny an' ny tena ~ mamoritra ~ mampandoa ~ manao tadidin' ny mpanaraka ~ manao takin' adala ~ manaraka ~ mihady levenambola [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   to demand one's due [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   réclamer, réclamer son dû [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Mitaky mahazo, itakian-tsy ahazoana; [Dahle: Angano, takila 17]
2Ankehitriny tonga aho mitaky ny anjarako aminy. [Rapatsalahy: Kintana, takila 163]
Ny bikany  
mitaky
nitaky
hitaky
mitakia
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2017/11/06