Teny iditra mitandrina (tandrina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampifantoka ny saina amin' ny zavatra iray ka manao izay rehetra azo atao mba tsy hisy hahavoa ny tena amin' izany: Mitandrema tsara rehefa mihazakazaka sao potraka
Miambina olona, manara-maso izay ataony: Tovolahy kely iny no nitandrina ny mpianatra ka nolalaoviny fotsiny
Mikarakara, manolokolo, mikajakaja: Aoka tandrina ity boky ity ohatra ny anakandriamaso ianao
Mitovy hevitra: mahakandikandy ~ mahavatra ~ manolokolo ~ miahy ~ mikajy ~ mikarakara ~ mikojakoja ~ mikolokolo ~ mikononkonona ~ mitaiza ~ mitity ~ mitsabo
Manaraka, manatanteraka: Izay te ho voavonjy, aoka hitandrina ny didy
Mitovy hevitra: miambina ~ miandry ~ miaro
Mitovy hevitra: mandala ~ misaingy ~ misoroka ~ mitandro ~ mitsimbina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To take care of; to look after; to be careful [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Prendre soin de, surveiller; avoir soin [1.8]
Ohatra Aleo mitandrina ihany fa loza izay teo izay. [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitandrina
Ny lasa : nitandrina
Ny hoavy : hitandrina
Filaza mandidy : mitandrema
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20