Teny iditra mitombina (tombina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mipetraka (olona na biby ihany): Tsy afaka mitombina izy fa misy vay lahy kely ao amin' ny fipetrahany ao
Tsara fototra: Mitombina tsara ity tranonao ity izany
Mipetraka milamina tsy manana ahiahy: Mitombina tsara amin' ny fokontany vao nifindrany izy
Misy antony, misy fototra tsara: Tsy mitombina velively izany ahiahinao izany [1.1]
 Tsara fototra ka marin-toerana [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Stable [1.13]
Ohatra Ramanambeloma mivady kosa no mitombina sy mandry ilika manoloana izany rehetra izany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitombina
Ny lasa : nitombina
Ny hoavy : hitombina
Filaza mandidy : mitombèna
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20