Teny iditra mitombo (tombo)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mihalehibe; mihamaro [Antesaka] [Rakotosaona 1972]
   Mihalava, maroroka, mihalehibe: Mitombo dia mitombo ity zaza ity ~ Nitombo fahendrena izy
¶ Mihamaro, mihabe, mihabetsaka: Vetivety foana dia nitombo ny isan' ny mponina
¶ Miitatra, mandroso: Tsy mitsaha-mitombo ny varotr' io Rangahy io
¶ Misondrotra: Nitombo be ny rano hatramin' ilay orana farany tao
¶ Mihatsara: Izay tiana mitombo tarehy
Mitovy hevitra: mamokatra ~ manana ~ manao hararaotra ~ manjanaka ~ mihalehibe ~ mihamafy ~ mihasarotra ~ mihombo ~ miitatra
Mitovy hevitra: manabe voho ~ manao be filaza ~ manao filazan-dRamitraho ~ manao kitsanitsany ~ manao laza habobo ~ manao laza masaka ~ manao laza rezatra ~ manao lazam-balala ~ manao tera-bao filaza ~ manitatra ~ masadroatelo ~ matavy filaza ~ milaza valamaty [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to increase; to grow [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   croître, augmenter [Hallanger 1974]
Dikanteny frantsay   croître, pousser, grandir, se développer [SLP: Voambolana]
Ohatra   Mitombo saina tokoa ny ankizy, mitombo fanahy, mitombo vatana koa, tsy azo lavina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 82]
Sampanteny  
Ny bikany  
mitombo
nitombo
hitombo
mitomboa
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2017/05/20