Teny iditra mitomboka (tomboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misy kase, misy marika natao tamin' ny vy mahamay matetika: Valopy tsy mitomboka ity. / Mitomboka ny tarehiny
Isaina, heverina ho toy ny izy ihany: Mitomboka ihany ny andronao raha marary ianao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Sceller, apposer un cachet [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitomboka
Ny lasa : nitomboka
Ny hoavy : hitomboka
Filaza mandidy : mitomboha

Teny iditra mitomboka (tomboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamaky bainga amin' ny angady [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To stab; to pierce [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Donner un coup de bêche ou de lance [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitomboka
Ny lasa : nitomboka
Ny hoavy : hitomboka
Filaza mandidy : mitomboha

Teny iditra mitomboka (tomboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miandoha: Mitomboka rahampitso ny vakansy (ny fiteny matetika anefa amin' io hevitra io dia ny hoe: miantomboka, na manomboka) [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitomboka
Ny lasa : nitomboka
Ny hoavy : hitomboka

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31