Teny iditra mitorovoka (torovoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mipetraka miarinarina amin' ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin' ny saoka: Nitorovoka nanodidina an' i Dadabe ny zafy keliny enin-dahy [1.1]
Ohatra Toa hitany mitorovoka eny an-tsena eny ilay tsy valahara manao varoboba ny poaraony. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitorovoka
Ny lasa : nitorovoka
Ny hoavy : hitorovoka
Filaza mandidy : mitorovoha
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20