Teny iditra mitsangana (tsangana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miainga, mijoro eo ambonin' ny tongotra roa: Raha vao nantsoina ny anarany, dia nitsangana izy
Mijoro: Efa ela aho no nitsangana teto fa tsy nisy mpampandroso
Miseho, mitolo-tena: Amin' izao fahalasanan' ny rainao izao, mitsangàna ho lohan' ny fianakaviana. [1.1]
Ohatra Mitsangana manatrika ny fefy vy mampisaraka azy amin' ny mpiasa izy ireo. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsangana
Ny lasa : nitsangana
Ny hoavy : hitsangana
Filaza mandidy : mitsangàna
Tovy hevitra manerinerina ~ miezinezina ~ mihenjana ~ mihinjitra ~ mijajirika ~ mijalajala ~ mijaridina ~ mijidina ~ mijoalajoala ~ mijoro ~ miorina ~ miridiridy ~ mitangezaheza ~ mitsatoka
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra mitsangàna (tsangana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitsangana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/13