Teny iditra mitsipaka (tsipaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandaka, manosika amin' ny tongotra: Aza avela hitsipaka ny vilia ny zazakely
Manohitra, mandà: Telo no nankatò ilay tolo-kevitra fa dimy kosa nitsipaka
Maty, dangy terỳ: Voan' ny filesy ilay voronkely ka nitsipaka teo no ho eo
Mandaka avy eo aoriana, manao savoam-body: Mitandrema fa mahery mitsipaka io boriky io. [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsipaka
Ny lasa : nitsipaka
Ny hoavy : hitsipaka
Filaza mandidy : mitsipaha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25