Teny iditra mivady (vady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Tambahoaka] milely [Rakotosaona 1972]
 Miray
¶ Miaraka na mivelona toy ny mpivady: Olona mivady ireny fa tsy mianadahy akory
¶ Enti-milaza olona iray sy ny vadiny: Lasa any an-tsena ry Rainikoto mivady [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay Être mari et femme: Tonga Rainipatsa mivady (Rainipatsa est arrivé avec sa femme) [Abinal 1888]
Famaritana frantsay s'accoupler, se marier [SLP 1986]
Endriteny 
mivady
nivady
hivady
mivadia
Teny nalaina 

Teny iditra mivady (vady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Miara-droa, lomisy: Nividy kiraro telo mivady izy tamin' ny Krismasy
¶ Tsara miaraka: Mivady tsara lahy ny palitao sy pataloanao ireny [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay Être par couple, par paire, avoir son complément, son pendant, son pareil, son semblable: Venty sy kirobo no nividianako ireo bitro mivady ireo (Ce couple de lapins m'a coûté deux francs) ~ Tsy mivady tsara ireo kavina ireo (Ces pendants d'oreilles ne sont pas bien pareils) [Abinal 1888]
Endriteny 
mivady
nivady
hivady

2019/09/15