Teny iditra mivezivezy (vezivezy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha atsý sy are, mitotototo mankatsy mankaroa, mivoivoy: Nivezivezy eran' ny mpivaro-boky rehetra aho nitady ilay boky tantara fa tsy nahita
Miriorio foana mankatsy sy mankaroa, mirenireny: Mitandrema tsara fa misy jirika mivezivezy, hono, ato anatin' ity ala diavintsika ity
Mitovy hevitra: firaka atakalo ~ mandehandeha ~ maniasia ~ manjenjena ~ miasa dia ~ mihebiheby ~ mihebikebika ~ mihelohelo ~ mihenjy ~ mijaingijaingy ~ mijongojongo ~ mipempena ~ mirenireny ~ miriorio ~ misedisedy ~ miselontselona ~ misidiondiona ~ misiontsiona ~ mitsakatsaka ~ mivezika atsy mivezika aroa ~ mivoivoy ~ mizionjiona ~ tsy mahatombin-tsiraka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To wander, to ramble [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Errer par-ci par-là [1.8]
Ohatra 
1-- Raha mivezivezy amin' ny fandrosoan-tsakafo eo izy, dia tsy adinony velively izy efatra mianadahy zanany: [2.470]
2Nisy andian-miaramila nivezivezy isan' alina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivezivezy
Ny lasa : nivezivezy
Ny hoavy : hivezivezy
Filaza mandidy : miveziveze
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20