Teny iditra mizaha (zaha)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha mijery: Lasa nizaha hira gasy izy telo mianaka
¶ Mitady, mikaroka zavatra: Tapak' andro maninjitra aho no nizaha ny solomasoko
¶ Mitsapa: Mizaha toetra ny mpiasa matetika ny mpampiasa [Rajemisa 1985]
  [Bezanozano] mijery [Rakotosaona 1972]
  [Sihanaka] mijery, mitazana, mitady [Rakotosaona 1972]
Famaritana frantsay Regarder, considérer, chercher; sonder [Abinal 1888]
Endriteny 
mizaha
nizaha
hizaha
mizahava
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1ary indroa izy no mizaha ny zaza amy ny indrai-andro; [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 222]
2Sady tsy mizaha hao no tsy lany andro manao volon' ny miaramila. [Randriamamonjy: Ombalahibemaso, takila 123]
3Ary hoy Lord Palmerston, ento mizaha ny zavatra rehetra izy ry Mr Freeman. [Razoharinoro: Soratra, takila 194]
Teny nalaina 

2016/09/10