Teny iditra mora
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Tsy sarotra atao: Mora adika io lahateny io ~ Mora ny maniny fa sarotra ny manao
¶ Kely vidy, tsy lafo: Mora ny vary rehefa fararano
¶ Malemy fanahy, malemy paika, rainazy: Tsy hahita olona mora be ohatra azy ianao [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   easy; slow; cheap [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   facile; lent; bon marché [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   facile; bon marché [SLP: Voambolana]
Ohatra   Ny fiainana tsy vita mora rahateo: [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 118]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy ity teny mora ity (3): Moramanga, Morarano, Vatomora

Teny iditra mora
Sokajin-teny   tambinteny [firaketana]
Famaritana malagasy   Miadana: Mandehana mora fa ratsy ny lalana (matetika ny verindroa moramora no ampiasaina amin' io hevitra io)
¶ Amin-kalemem-panahy, tsy mitratreva: Alaina mora no fakana ny ankizy, indrindra rehefa ilay sakasakan-jaza iny izy
¶ Malaky: Mora tezitra, mora misafoaka ny mpampianatra anay [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   easily [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   facilement [Hallanger 1974]

2013/05/30