Teny iditra moraingy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy haiady nentin-drazana izay mbola fanao any amin' ny faritra sasany eto Madagasikara [Akademia 2005 takila 798]
Fanazavàna teny frantsay boxe traditionelle [Rajaonarimanana 1995 takila 211]
 nom donné à une sorte de lutte très populaire [Boiteau 1997]
Voambolana 
Ohatra 
1Indraindray ry zareo raha mandray vahiny dia manao moraingy [Randriamiadanarivo: Sikajy]
2Ao kosa ireo kilalao mihavitsy mpanao toy ny raosy jamba, ny amponga tany, ny marakely, ny moraingy. [FOFAFIPE: Rosovola]
3Lalao mikasika ny fiainan'ny mpivady mandrakariva no fanaon' ny ankizivavy, fa ny kiombiomby sy ny lalaom-batana (moraingy) [Razafiarivony: Harivolana]

Teny iditra moraingy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy hazo avy any Indo-Malezia. Tany Maorisy sy La Réunion aloha no nampidirina azy. Vao haingana ihany no tonga teto Madagasikara. Faritra mafana no tiany, rehefa latsaky ny 300 metatra ny haavony, any avaratra sy avaratra andrefana. Rehefa mihintsana ny raviny, dia mihanjahanja ireo sampany, saika manao fandrin-drano sy ireo voany maitso loko, lava mikirozaroza ohatra ny apela. Manodidina ny voany ny kiran' ny kapôka. Septambra ka hatramin' ny Novambra no mamony sy mamoa.
Mitovy hevitra: landihazobe ~ pemba [Akademia 2005 takila 798]
Fanazavàna teny frantsay  [Sakalava] Ceiba pentandra (L.) Gaertn. (Malvaceae). L'huile tirée des graines est utilisée par les lutteurs pour s'oindre le corps. [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Ceiba pentandra

Nohavaozina tamin' ny 2021/10/23